Acts 27

1Rehefa tapaka fa tokony hiantsambo ho any Italia izahay, dia napetrak’izy ireo i Paoly sy ireo gadra hafa ho eo ambanin’ny fiahian’ny kapiteny iray antsoina hoe Jolio izay an’ny rezimantan’ny Amperora. 2Niditra tanaty sambo iray avy any Adramytena izahay, izay hiondrana manaraka ny sisin-tanin’ny Asia. Ka dia nandeha an-dranomasina izahay. Aristarko avy any Tesalonika any Makedonia dia nandeha niaraka taminay.

3Ny andro manaraka dia tonga tao amin’ny tanànan’ny Sidona izahay, izay nitondran’i Jolio an’i Paoly tamin’ny hatsaram-panahy ary namela azy handeha ho any amin’ireo namany handray ny fikarakaran’izy ireo. 4Avy tany izahay no nandeha an-dranomasina ary niantsambo nanaraka ny moron’ny Kyprosy, nanakaiky ny nosy, satria nanohitra anay ny rivotra. 5Avy eo niantsambo namakivaky ny ranomasina izahay ary nanakaiky ny sisin-tanin’ny Kilikia sy Pamfilia, tonga tao Myra izahay, tananàn’ny Lykia. 6Tany, ny kapiteny dia nahita sambo iray avy any Aleksandria izay hiantsambo ho any Italia. Napetrany tao amin’izany izahay.

7Rehefa niantsambo niadana nandritry ny andro maro izahay ary ny farany dia tonga tam-pahasahiranana teo akaikin’ny Kinidio, dia tsy namela anay andeha tamin’izany lalana izany intsony ny rivotra, ka dia niantsambo nanaraka ny ilany takon-drivotry ny Kreta izahay, mifanandrify amin’ny Salmona. 8Nanara-morona tam-pahasahiranana izahay, nandra-pahatonganay tany amin’ny toerana iray antsoina hoe Tsara-fitodian-tsambo, izay akaikin’ny tanànan’ny Lasea.

9Ary nandany fotoana betsaka izahay, efa dila ihany koa ny fotoana fifadian-kanin’ireo Jiosy, ary efa lasa nampidi-doza ny miondrana an-tsambo. Ka dia nampitandrina azy ireo Paoly, 10ary niteny hoe: “Ry lehilahy, hitako fa ity dia izay ho ataontsika ity dia hisy faharatrana sy fatiantoka maro, tsy ho an’ny entana sy ny sambo ihany, fa ho an’ny aintsika koa.” 11Fa ny kapiteny nanome lanja kokoa ny mpitondra sy ny tompon’ny sambo noho ireo zavatra izay voalazan’i Paoly.

12Satria ao amin’ny seranana dia tsy mora raha hijanonana mandritry ny ririnina, dia maro tamin’ireo mpiantsambo no nanoro hevitra ny hiondrana hiala teo, fa ndrao mba afaka hihazo ny tanànan’ny Foiniksa amin’ny fomba rehetra izahay, mba hitoetra any mandritry ny ririnina. Foiniksa dia seranana any Kreta, ary manatrika ny mianavaratra-andrefana sy ny mianatsimo-andrefana izany. 13Rehefa nanomboka nitsoka malefaka ny rivotra avy any atsimo, dia nihevitra ireo tantsambo fa nanana izay nilain’izy ireo. Ka dia nampakatra ny vatofantsika ary niondrana nanaraka an’i Kreta izy ireo, nanakaiky ny moron-dranomasina.

14Fa afaka fotoana fohy dia nisy tafio-drivotra mahery, nantsoina hoe Eoraklydona, nanomboka namely mafy avy any amin’ny nosy. 15Rehefa tratry ny tafiotra ny sambo ary tsy afaka nanohitra ny rivotra intsony, dia tsy maintsy nanome lalana ny tafiotra izahay ary nentin’ny rivotra teny rehetra teny. 16Niantsambo nanaraka ny moron’ny nosy kely iray antsoina hoe Kaoda izahay, ary tamim-pahasahiranana no nahafahanay niaro ny lakana famonjena aina.

17Rehefa nampiakarin’izy ireo ny lakana famonjena aina, dia nampiasain’izy ireo ny tadin’izany mba hamatorana ny vatan’ny sambo. Natahotra izy ireo fa tokony handeha ambonin’ny fasika mandrevon’ny Syrtiso, ka dia nalatsak’izy ireo ny vatofantsiky ny ranomasina ary nandeha ho azy teny. 18Tratran’ny famelezana mahery vaikan’ny tafiotra izahay hany ka ny andro manaraka io dia nanomboka nanary ireo entana tany ivelan’ny sambo izy ireo.

19Tamin’ny andro fahatelo ireo tantsambo dia nanipy ny entan’ny sambo tany ivelan’ny sambo tamin’ny tanan’izy ireo manokana. 20Rehefa tsy namiratra taminay nandritry ny andro maro ny masoandro sy ny kintana, ary mbola namely anay ilay tafiotra lehibe, dia very avokoa ny fanantenana ny hahavoavonjy anay.

21Rehefa lasa lavitra tsy nisy sakafo izy ireo, dia nitsangana teo amin’ireo tantsambo Paoly avy eo ary niteny hoe: “Ry lehilahy, tokony nihaino ahy ianareo, ary tsy niondrana avy tany Kreta, ho tratran’izao faharatrana sy fatiantoka izao. 22Ankehitriny dia mamporisika anareo aho mba hahery, fa tsy hisy fahaverezan’aina eo anivonareo, fa fahaverezan’ny sambo fotsiny ihany.

23Fa tamin’ny alina dia nisy anjelin’Andriamanitra izay tompoko, izay tompoiko ihany koa _ nitsangana teo anilako ny anjeliny 24ary niteny hoe: ‘Aza matahotra, ry Paoly. Tsy maintsy hitsangana eo anatrehan’i Kaisara ianao, ary indro, Andriamanitra ao amin’ny hatsaram-panahiny no nanome anao ireo rehetra miantsambo miaraka aminao.’ 25Noho izany mionona, ry lehilahy! Fa mahatoky an’Andriamanitra aho fa hitranga araka izay voalaza tamiko izany. 26Saingy tsy maintsy hidona amina nosy maromaro isika.”

27Rehefa tonga ny alina faha-efatra ambin’ny folo, raha natoptopa tetsy sy teroa tao amin’ny ranomasin’ny Adrea izahay, tokony ho tamin’ny sasak’alina dia nihevitra ireo tantsambo fa nanakaiky tany izy ireo. 28Dia naka refin-drano izy ireo ary nahita fa efapolo metatra ny halaliny; taoriana kelin’izany, dia mbola naka refin-drano ihany izy ireo ary nahita fa telopolo metatra ny halaliny. 29Natahotra izy ireo sao hidona amin’ireo vato izahay, ka dia nandatsaka vatofantsika efatra avy ao aoriana izy ireo ary nivavaka mba hiavian’ny maraina tsy ho ela.

30Ireo tantsambo dia nitady fomba handaozana ny sambo ary nandatsaka ny lakana famonjena aina tany an-dranomasina, ary nody nandatsaka ny vatofantsika avy teo an-doha-tsambo izy ireo. 31Fa Paoly niteny tamin’ny kapiteny sy ireo miaramila hoe: “Raha tsy mijanona anaty sambo ireo lehilahy ireo, tsy ho voavonjy ianareo.” 32Avy eo ireo miaramila nanapaka ny tadin’ny lakana ka dia namela izany ho rendrika.

33Rehefa nanomboka nihanazava ny andro, dia namporisika azy rehetra Paoly mba haka sakafo maromaro. Hoy izy hoe: “Ity andro ity no andro faha-efatra ambiny folo izay hiandrasanareo ary tsy hinananareo; tsy nihinana na inona na inona ianareo. 34Noho izany dia mamporisika anareo aho mba hizara sakafo, fa ilaina izany mba hahavelona anareo. Fa tsy hisy na iray aminareo izay ho very na dia ny singam-bolon-dohany aza.” 35Rehefa avy niteny izany izy, dia naka mofo ary nisaotra an’Andriamanitra teo imason’ny rehetra. Avy eo izy nizarazara ny mofo ary nanomboka nihinana.

36Avy eo dia nahery izy rehetra ary naka sakafo ihany koa. 37Olona 276 izahay no tao anaty sambo. 38Rehefa nihinana tsara izy ireo, dia nohamaivanin’izy ireo ny sambo tamin’ny nanarian’izy ireo vary tanaty ranomasina.

39Rehefa tonga ny andro, dia tsy fantatr’izy ireo ilay tany, fa nahita helon-drano anankiray nisy tora-pasika izy ireo, ary nifandinika izy ireo raha afaka hitondra ny sambo teny. 40Ka dia notapahin’izy ireo ireo vatofantsika ary navelan’izy ireo tany an-dranomasina. Niaraka tamin’izay dia nalatsak’izy ireo ny tady teo amin’ny familiana ary natsangany ny lay ho eo amin’ny rivotra; ary dia niroso nankeo amin’ny tora-pasika izy ireo. 41Fa tonga teo amin’ny toerana iray izay nisy ranomasina nifanapaka izy ireo, ka nidona tamin’ny tany ny sambo. Ary ny loha-sambo dia niraikitra teo ary nijanona tsy afa-nihetsika, fa ny vodi-sambo kosa nanomboka vaky nohon’ny hahery vaikan’ny onja.

42Ny tetik’ireo miaramila dia ny hamono ireo gadra mba tsy hisy amin’izy ireo ho afaka andeha hilomano ka hitsoaka. 43Fa ilay kapiteny te-hamonjy an’i Paoly, ka dia najanony ny tetik’izy ireo; ary nomeny baiko ireo mahay milomano mba hilatsaka ivelan’ny sambo aloha ary ho eny an-tanety. Avy eo tokony hanaraka ny ambin’ireo lehilahy, ny sasany ambony hazo fisaka, ary ny sasany ambony zavatra hafa avy tao amin’ny sambo. Toy izany no nitranga ka ny rehetra taminay dia tonga soa aman-tsara teny an-tanety.

44

Copyright information for PltULB